Mises à jour en direct

Hetsika fanadiovana ho fanatsarana ny Tananan’Antananarivo

Tafiditra ao anatin’ny ezaka iombonan’ny ministera rehetra ny fanadiovana sy fanatsarana ny Tanànan’Antananarivo, ho fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara ny fivorian’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI) ny 24 aprily 2025.

DIEA
Par DIEA
1 Min Read
1Article
Votes des utilisateurs
il y a 2 ansjuillet 21, 2024 10:53 am

Tafiditra ao anatin’ny ezaka iombonan’ny ministera rehetra ny fanadiovana sy fanatsarana ny Tanànan’Antananarivo, ho fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara ny fivorian’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI) ny 24 aprily 2025.

Nandray anjara mavitrika ny ekipan’ny MESUPRES

Ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, notarihin-dRamatoa Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla dia nandray anjara tamin’ny fanadiovana faobe, ny 28 Marsa 2025, nahitana ireo mpiasa eto anivon’ny ministera, ireo avy any amin’ireo foibem-pikarohana eo ambany fiahiany, ary ireo rafitra mifandray aminy.

Nifantoka tamin’ny fanesorana ireo fako sy ny fanadiovana ireo toerana maloto manodidina an’i Mahamasina sy Anosy, faritra be mpivezivezy eto an-drenivohitra, ny asa natao. Naneho firaisankina sy fifanomezan-tanana ireo mpandray anjara rehetra nandritra ity hetsika ity, izay mbola hitohy.

Partager cet article
Laisser un commentaire

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *